HALATRA FIARA
15 avr 2010 Laisser un commentaire
in Uncategorized Tags:Ambositra, Antsirabe, Automobile, fiara, halatra, halatrafiara, mafia, RN7, vakinakaratra
Nirongatra izay tsy izy ny halatra sy ny fanafihana fiara tato ho ato izay, isan’ny tena lasibatra amin’izany ny fiara mpitatitra amin’ny lalampirenena, isan’ny nahitana izany tranga izany androany 15 avril 2010 ny lalam-pirenena faha-7 mampitohy an’Antananarivo sy Ambositra iny, ka ny nitrangan’izany dia mbola somary avaratr’Ambositra teo amin’ilay toerana antsoina hoe Beronono,jiolahy 5 lahy mirongo fiadiana no voasambotry ny zandary tao Manandona , ny mahatsikaiky dia zandary ny iray tamin’ireo ary miaramila ny iray , fiara mimni-bus ity fiara notafihin’izy ireo ity ary mitondra mpandeha fito ka lehilahy ny efatra(4) ary vehivavy ny telo(3) niainga avy any Fandriana Ambositra moa ity fiara ity. Raha nanaovanay fanadihadiana ny mpandeha tao tamin’ity fiara niharan’ny fanafihana ity dia tsapa fa tena voafitaka izy ireo , ny tena nahagaga hiy izy ireo dia ny nahafantaran’ireo jiolahy ireo fa mitondra vola ity fiara ity.
Ny mampalahelo amin’ity raharaha ity dia ny natao tandroka hiaro ny vozona sy ho mpisambotra ny mpangalata indray no manjary manao sa ratsy toa izao! Ny irariana moa dia mba tsy ho afa-maina ireo mpanao ratsy ireo fa hahazo izay sazy sahaza azy!!